NADOBOKA AMPONJA I FETISON NA DIA IREO MIARAMILA SY ILAY PREMINISTRA NAMOAKA  DIDY AZA NO LOHARANO NIMPOIRAN'NY KORONTANA ...

 

Tsy  nisy izay tsy sorena rehefa nandre fa nahiditry ny faty amponja i Fetison izay filohan'ny ankolafy Ravalomanana, i Zafilahy izay solom-bavam-bahoaka ary i  Pastora Edouard.  Ny antony niampangana azy ireo dia nohon'ny famoriam-bahoaka nataony tamin'ny alarobia lasa teo ka niteraka savorovoro sy fandoran'ny olon-tsy fantatra fiara roa ary fanampotehana zavatra  hafa.

    Raha jerena ny fizotry ny tantara dia tahaka izao no hamitinana azy. Rehefa tsy nahazo alalana haneho hevitra teny amin'ny kinajan'ny demokrasia ireo vahoaka marobe na dia nanao fangatahana imbetsaka aza dia nanampakevitra ireo mpitarika fa hangataka fihaonana amin'ny Pds hijerena izay marimaritra iraisana. Tapaka tamin'io fivorianana io fa homena alalana ny ankolafy 3 hanao famoriambahoaka eny amin'ny kianjan'ny Malacam ary indroa isan-kerinandro no hanaovana izany. Ny hetsika voalohany dia nizotra  tamim-pilaminana tanteraka. Ny hetsika faharoa kosa dia efa voalamina fa hatao amin'ny alarobia 1o novembra lasa teo. Ny andro mialohan'io daty io anefa dia namoaka didy ilay lazaina fa Preministra fa voarara ny famoriam-bahoaka akoatry ny fampielezan-kevitra momba ny Eny sy Tsia. Tampoka tamin'ny ankolafy telo ny fanampahan-kevitra. Ary rehefa niampidinika izy ireo dia tapaka fa hatao ny hetsika satria ny vahoaka efa nampandrenesina ary ireo olona avy any amin'ny farintany dia efa tonga teto Antananarivo daholo.

 

    Ny alarobia dia tolakandro dia tonga marobe tokoa ny vahoaka saingy miaramila mirongo basy no niandry azy ireo teo ambavahady sy manodidina ilay kianja izay foana tsy misy na inona na inona. Niezaka nifampiraharaha tamin'ireto farany ny mpitarika nefa dia  baomba lacrymogene sy tifitra tamin'ny bala fingotra no nasetriny izany. Vokany niparitaka ny vahoaka ary ho fiarovan-tenany dia nampiasa barazy eran'ny tanana izy ireo. Marihana fa ireo miaramila mompa ny fitondrana faty dia tsy vitan'ny hoe nanaparitaka ny olona fa mbola nanenjika azy ireo hatrany amin'ny elakelatrano rehetra any. Nandritra izany no niseho ny famotehan'ny sasany fananan'olona. Eto dia tsy fantatra mazava izay nandoro ireo fiarana roa voalaza etsy ambony ireo. Ny azo lazaina kosa anefa fa ny akolafy 3 hatramin'izay roa taona nanaovany hetsika fanoherana ny mpanongam-panjakana izay dia tsy mba nirona tamin'izany resaka fanapotehana fanana izany mihintsy. Ireo hetsika rehetra nataony dia nataony ampilaminana daholo. Mazava araka izany fa ireo olona nandoro ny fiara dia olona efa nokaramaina mialoha ary ny mahagaga dia ny tsy nahitan'ireo miaramila anjatony izay olona nitarika izany fandorana izany. Sa nodiana tsy no jerena?

 

     Mazava araka izany fa raha misy ny olona tokony hosamborina sy hahiditra am-ponja dia ireo nanome baiko ny miaramila hanamparitaka ny olona no tokony voalohany. Raha mba nisaina kely fotsiny manko ilay colonel Richard ka nahay nifandamina tamin'ireo mpitarika ny tolona dia azo nosorohana tsara ny zavatra tahaka ireny. Tsy izany anefa ny zava-nisy fa namparitaka ny vahoaka ary mety tafiditra amin'ny tanjona daholo izany mba hahafahan'ireo olona voakarama manao ny asany ary hisamborana an'i Fetison avy eo. Tsy vao sambany tokoa no nikasan'ny faty hisamborana ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity fa efa imbetsaka ary dia izao notanterahiny izao. Ary ny mahagaga dia hoe nahoana no ireo mpitari-tolona avy amin'ny ankolafy Ravalomanana daholo no nosamboriny? Midika ve izany fa mbola matahotra fadiranovana ny filoha Ravalomanana izy ireo.

 

   Ny mahalasa saina ny maro koa dia ilay didy navoakan'ilay lazaina fa preministra. Lazainy mazava ao fa voarara ny fanaovana famoriam-bahoaka miendrika politika akoatry ny fampielezan-kevitra ENY sy TSIA. Ka raha izany no izy dia nahoana no tsy samborina daholo ny filohan'ny faty sy ny ministra izay voalazan'ny lalana manan-kery sy neken'izy ireo fa tsy mahazo manao fampielezan-kevitra nefa amin'izao dia manao fitetezam-paritra mamory vahoaka isaky ny toerena alehany. Inona no famaritan'ingahy Camil Vital an'ireny ary ahoana ny fandraisan'ny CL Richard ireny kabary politika ataony ireny?

 

Eto ampamaranana dia miantso an'ireo lehiben'ny foloalin-dahy ihany izay mba handinika. Ny vola tsy hangidy rahovina ka aoka mba hahay handanjalanja ihany isika. Mino izahay fa na dia jamban'ny vola aza ny sainareo dia mbola ao ihany ilay fanahy mahaolana ka henoy ny feony.

 

     Ekena fa eo ampelatananareo ny fitaovana nefa tsarovy fa volan'ny vahoaka no nividianana ireny ary aza adino fa ny hamelomanareo ny vady amanjanakareo dia mbola ny vahoaka no miantoka azy. Noho izany diniho ihany izay atao ary tsarovy fa matoa misy vahoaka mitsangana sy mitroatra dia misy zavatra tsy ekeny ao ka tiany hasiana fanovana ary na dia tsy vahoaka aza fa olona roa na telo no mijoro dia manana zo feno hanao izany izy ireo ka aza rakofana baobamba ny hetahetany. Ny toerana ifandimbiasana, anio enao eo fa rahampitso mbola tsy hay izay mety hisy anao ka diniho ihany ary tsarovy fa tsy irery akory enao fa manana vady aman-janaka ary manana havana ka saino ihany. Sao lahy hifototra aminao ny herim-pamoretana hataonao amin'ny vahoaka majinika.

 

Ary farany indrindra dia mba te hisarika ny sainareo ihany aho, ary raisiko ho ahy ny tenin'ny filoha Ravalomanana hoe " tsy ny fasamborana olona sy ny fampiasan-kery no hamaha ny krizy" Mba diniho kely ny habibiana namoretan'i Cl Lylson sy ny Cdt Charles ny vahoaka. Mba todiho hoe firy ny olona maty naratra , nosamborina ary nahiditra amponja, firy taoniny ny baomba lacrymogene lany nefa inona no niova teo. Roa taona aty aorina dia mbola ireo mijoro ireo ihany ny vahoaka mitaky ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny. Izany dia midika fa tsy ho hanaiky na oviana na ovina ny vahoaka malagasy ary matoa izy mikiry sy manao sorona ny ainy dia misy marina hitany fa voahitsaka ary misy hitsiny hodiana tsy jerena.

    

     Tsy sanatria akory be saina sy tompon'ny fahalalana izahay fa mba mitondra ny fomba fijery amin'ny maha olom-pirenena ary raha mitodika aminareo izay lazaina fa tandroka aron'ny vozona dia toy ny tsatokazo an-tsampanan-dalana ihany ka tsy mitazona anao tsy handroso raha izay  no hitanao fa mety fa mitazona anao hieritreritra sao dia mba diso ilay lalana nofidinao. Trafo-kena ome-mahery ny anay ka ambava homana am-po mitsakotsako.

Dia samy ho tahian'Andriamanaitra.

 

 


 

 

 

 

MIANTSO NY VAHOAKA HO TONGA SAINA NY FILOHAM-PIRENENA MARC RAVALOMANANA

TONGA NY FOTOANA HANDRODANANA NY FITONDRANA FATY ....

 

ILAINA MAIKA NY FIVERENANA AMIN'NY ARA-DALANA

 

    Mitohy foana ny tolona ataon'ny vahoaka mitady ny fiverenana amin'ny ara-dalana. Miteraka resabe ity fiverenana amin'ny ara-dalana ity ary nisy no nilaza fa tokony tsy ho tenenina intsony. Raha marina anefa ny marina dia mitombiana tanteraka ny filazana fa mitaky ny fiverenana amin'ny ara-dalana ny vahoaka malagasy. Izany akory anefa tsy midika hoe mitaky ny fiverenan'ny filoham-pirenena Ravalomanana eo amin'ny fitondrana indray. Nohon'ny fivoaran'ny toe-draharaha politika eto Madagasikara dia tsy azo tanterahina intsony izany na dia mazava aza fa nisy ny fanonganam-panjakana teto. Raha te hiverina eo amin'ny fitondrana izy dia tsy maintsy mandalo amin'ny fifidianana indray.

 

     Ny fiverenana amin'ny ara-dalana dia midika hoe famerenana amin'ny vahoaka ny fahefana mba hanendreny amin'ny alalan'ny fifidianana ny olona hitondra azy ary io olona io indray no hamerina amin'ny laoniny ny fiainan'ny malagasy, izany hoe hamerina ny ara-dalana.

 

    Ny toe-draharaha misy eto Madagasikara manko amin'izao fotoana izao dia tena lavitry ny ara-dalana. Akoatry ny hoe maha mpanongam-panjakana an'ireo mpitondra dia maro tsy tambo isaina ny zavatra tsy araky ny lalana ataon'izy ireo ary na ilay lalana mihintsy aza no azo lazaina fa tsy misy fa dia izy ireo ihany no mamaritra izay mety sy tsy mety.

 Miseho lany ny tsy fanarahan-dalana eny amin'ny sampandraharaha isan-karazany. Porofon'izany ny fisian'ireo grevy etsy sy eroa. Mahazo laka ny fanondranana atsokosoko ny harem-pirenena ary ny famadihana ny fananam-panjakana ho fanan'olon-toka. Manao izay tiany ireo miaramila manamboninahitra mangorona ny harem-pirenena  maniry toy ny anana ny villa sy ny fanokafana kaontim-bola any amin'ny banky.  Tsy fantatra intsony izay zava-misy marina fa ny ministra sy ny olona fehiziny dia mifanala baraka etsy sy eroa.

 

      Eo amin'ny fampitana vaovao sy fanehoan-kevitra dia tsy misy lalana afa-tsy ny famotehana amin'ny fomba rehetra ireo hetsika na fitaovana mety manohitohina ny fitondrana no manjaka ary dia atao fitaovana amin'izany ny fitsarana sy ny tafika.

 

Momba ny fifidianana dia tsy asiana resaka intsony ny momba ilay lalana asaina fidian'ny vahoaka satria sady tsy fantatry ny vahoaka ilay izy ary ireo izay mba nahita dia nitampim-bava nahita ny tsy fetezana amin'ny rijan-teny mandrafitra izany lalana izany izay hitereka olana goavana tsy ho ela akory. Tsy zovina amintsika anefa izany atao hoe lalam-panorenana izany. Lalana fototra iaingan'ny lalana rehetra ka raha ny fototra no efa ratsy dia mazava ho azy fa izay rehetra hapetraka eo dia tsy hisy ho marin-toerana daholo.

 

     Harangarana ilay vatom-pifidianana tokana, izay hampiharina amin'ny 17 novambra na dia tsy nisy akory aza fanentanana sy fampianarana ny olona momba izany. Asa moa na mba manana ny atontan'isa mikasika ny isan'ny olona mahay mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara ry zareo mpitondra na manao toton'omby bory fotsiny. Etsy akilany dia ambarany fa tsy mahazo manao fampielezan-kevitra ny mpitondra fa mitety faritra mamporisika ny olona hifidy. Ka tsy izany ve no tonga amin'ny fiteny hoe fady fotsy fa misotro ronono sa mpitari-bato vilam-bava. Ny fandehanan'ny ministra manao fanentanana ny olona hifidy dia efa midika fa mandray anjara mavitry amin'ny fampandaniana ny eny ny ministra ary tsy adala akory ny olona ka tsy hahatakatra an'izany.

Ireo rehetra ireo sy ny sisa izay tsy voatanisa dia maneho ny tsy fisian'ny lalana eto Madagasikara. Noho izany dia ilaina ary tsy maintsy hatao amin'ny fomba haingana ny famerenana ny ara-dalana ary tokony miara mientana amin'izany ny malagasy rehetra. Raha tiana hiverina ny ara-dalana dia ny fanesorana ireo tsy mpanara-dalana no voalohany tokony hatao, izany hoe ny fandrodanana ny tetezamita tarihin'i tgv ary avy eo vao mananganana tetezamita vaovao hiarahana mitantana.

 

    Ny fahitanay azy dia tsy dia sarotra loatra ny mandrodana izao fitondrana izao satria efa miharihary loatra na eo imason'ny vahoaka malagasy na eo imason'izao tontolo izao ny tsy fanarahan-dalana sy ny fahalovana nentin'ity fitondrana sandoka ity. Ny olana tsy mahatafita ny tolona dia ny kajikaji politika ataon'ireo mpitari-tolona. Raha tsorina dia mbola ny fitiavan-tena no manosika ireo mpitarika fa tsy ny fitiavana hanafaka an'i Madagasikara amin'izao loza miajady aminy izao.

 

    Noho izany dia miantso izahay mba hiaraka hifanome tanana ary hampandefitra ny kajikajy isakarazany ka hijery ny tombotsoam-pirenena. Mba tsy ho lasa kabary ambony vavahady fotsiny ilay hoe fitiavan-tanindrazana fa mba ho tena ho hita amin'ny asa mivatana. Efa ampy izay ny kabary isan-karazany fa ny sisa hatao dia ny firosoana amin'ny hetsika mivatana. Toy ny fandresen-dahatra ny vahoaka hanamafy hatrany ny hetsika ary ny fandresen-dahatra ireo miaramila hanao ny asa nakinina aminy dia ny fiaravana ny vahoaka sy ny fanana fa tsy hiaro mpitondra tsy ara-dalana sy tsy nahatanteraka ny toky nifanaovany tamin'ny vahoaka malagasy.

 

 

 

    Ny olona rehetra manan-tsaina amam-panahy dia  miara mahita fa diso lalana tanteraka ny firenena malagasy ary mizotra makany amin'ny hantsana tanteraka.  Izay tsy mahatsapa izany dia olona very fanahy na nivarotra ny fanahiny na jamban'ny fitiavan-tena ka tsy mahita intsony izay rariny sy hintsiny ary tsy mahita ny fahorian'ny mpiray tanindrazana aminy. Izay ny hamaritana ireo olona manohana izao fitondrana izao na mpitondra fivavahana izany na olon-tsotra na miaramila dia ambara fa olona jamban'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola fitiavam-boninahitra.

   Raha ampitahaina, amin'ny fo tsy miangatra, ny zava-misy talohan'ny taona 2009 sy amin'izao fotoana itenenay izao dia hita fa tsy manao afa-tsy ny mamerina ny zavatra lazainy fa tsy nety nataon'ny mpitondra teo aloha ny fitondrana misy amin'izao fotoana izao.

      Ny loharano nipoiran'ny disadisa na koa hoe nentina nitarika ny disadisa ka nitondra tamin'ny fanonganampanjaka dia ny fanakatonana radio Viva ary ny zavatra notakiana tamin'izany dia ny hisian'ny demokrasia. Amin'izao fotoana itenenay izao, araka ny nambaran'ny repporter sans frontier dia maherin'ny 80 ny radio nakatona ary tsy mihambahamba akory ity fikambanana vahiny ity milaza fa mirongatra ny sivana. Sivana izay azo lazaina fa, raha ny teto Madagasikara dia efa ampolon-taonany maro no efa navalona satria mahamenatra eo imason'izao tontolo izao ny fampiasana azy. Tsy mendrika izao taon-jato iainantsika izao intsony. Nefa dia indrisy fa izany no miverina sy iainana andro aman'aliana ankehitriny eto Madagasikara. Feo tokana izay tsy milaza afa-tsy abobo no re etsy sy eroa. Tsy afaka mahazo ny vaovao marina ny vahoaka.

     Tsy asian-tsika resaka intsony ny momba ny fandorana ny haino aman-jeri-panjakana sy ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Ambara fotsiny hoe henjehina atao haza lambo ny olona izay nanimba ny fananan'ny Radio Soa Talily Toliary, izay radio-paritra saingy mba ahona kosa ny momba ilay olona nitarika ny olona ka nandoro ny radiom-pirenena sy televisiona nationaly??? 

      Naverimberina matetika ny hoe fahafahana miteny sy maneho hevitra. saingy vao tsy nivalona akory ny taona dia efa lasa fasam-bazimba tsy azo hitsahina fa maha kely ila ilay nolazaina sy nodradradraina fa " kianjan'ny demokrasia".

    Hiazakazaha ny hampidirana ao amin'ilay lalam-panorenanan'ny fitondrana faty fa tsy azon'ny mpitondra atao fitaovana politika ny foloalindahy. Ny zavatra misy anefa dia ny faty indrindra no nampiasa ny foloalindahy nandrombahana fahefana ary amin'izao dia mampiasa azy ireo ho fitaovana hamoretana ny vahoaka. Niarahana nahita ny zava-misy tamin'ilay alatsinainy mena. Mitory ny fangejana iainany ny hiran'ny vahoka, ary mitory fa tsy miaramila gasy no manoloana azy ireo fa miaramila mitovy amin'ireo senegaly nampiasain'ny frantsay fahiny. Eto izahay dia mba manontany tena hoe mba misy fanahy ihany ve ireto lazaina fa manamboninahitra gasy ireto sa sanatria efa lasa biby ka tsy mahalala afa-tsy ny tombotsoany fotsiny.Raha manamboninahitra marina izy ireo fa tsy sanatria nahazo galona tamin'ny kolikoly sy ny kiatranoatrano dia afaka mandinika tsara fa rariny dia rariny tokoa raha mitroatra ny vahoaka, hahatakatra fa zon'ny olona tsirairay ny maneho hevitra ary mitaky ampilaminana rehefa misy zavatra ilainy nefa tsy omen'ny mpitondra. Raha manamboninahitra marina dia hahatsapa ny hasin'ny tenany sy ny anjara toerany eto amin'ny firenena ka tsy hivaron-tena...saingy.

 

    Aminay zanak'i vakina manokana dia efa naharitra loatra ny krizy ary tsy nitondra fiovana na dia kely aza fa vao maika namotika sy nampitombo avosasaka ny fahorian'ny malagasy ilay revolisiona mavo. Ary mazava fa na dia mahatsapa ny havendranany sy ny hadondrenany ary ny hakelezan'ny sainy aza izy ireo dia tsy hametram-pialana eo zany fa tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hanamafisana ny seza halatra. Noho izany dia mila hetsika mahery vaika hanongotaka azy hatramin'ny fakany.Ekena fa misy ny hetsika hatramin'izay nefa  azo lazaina fa tsy misy akony firy eo amin'ny faty izany satria hetsika lavareny tsy misy tanjona mazava hany ka ny vahoaka aza kivy.

   Raha tiana ny handrodana ny fitondrana faty dia tokony hatsahatra kely aloha ny tolona ary hatsangana ny komity sy olona iray  ho mpitarika ny tolona. Io olona ray vonona hitarika io no hita fa tsy ampy na amin'ny zanak'i Dada na amin'ny fironana telo mitambatra. Samy miteny daholo izay mahazo fitenena etsy amin'ny magro ary samy milaza ny sentosentony sy ny nofinofiny fa tsy misy olona iray mpitarika sy mandritra ny hetsika.

    Heverinay fa atoa Fetison no tokony hisahana an'io toeran'ny mpitarika io ary ny sisa ho komity mpanohana azy. Rehefa maro loatra  ny mpitarika dia tsy mizotra ny tolona, tsy hita izay aleha. Mila manao sorona ny tenany ny olona iray raha tena tiana ny handrodana ny fitondrana faty. Sarotra izany saingy tsy misy mafy tsy laitry ny zoto ary izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.

 

    Akoatra io olona io dia tokony tokony hiasa mafy ny komity miaraka aminy mandresy lahatra ny olona hiombona. Maro manko ny migrevy saingy toa samy mandeha samy mitady ary ny mampalehelo dia toa samy mitady ny tombotsoany manokana daholo ireny fa tsy misy mijery izay tombotsoa iombonana. Ohatra amin'izany ny mpitsara, ny mpampianatra sy ny sisa. Mila resena lahatra ireny mba hivondrona. Tahaka izany koa ny miaramila, mino izahay fa na dia toa ratsy daholo aza ny tafika gasy dia mbola misy any olona iray na roa vonona hanao sorona ny ainy hoan'ny tanindrazana.

     Ny fahitanay azy dia efa tonga ny fotoana tsara hanonganana ny faty ary ireo grevy majinijinika miseho etsy sy eroa, izay tsy manana endrika politika ivelany nefa azo lazaina fa misy ihany ao ambadika dia  azo havondrona ho hery iray lehibe afaka mandrodana ny faty. Izay fahaizana mamondrona izay no ilaina atao malaky.

 Dia irariana fa tsy tapitra tamin'iny alatsinainy iny ny hetsika fa hitohy ary hihamafy hatrany mandram-pirodan'ny mpangalatra fahefana.